Taratasy Voalohan'i Md. Joany

Toko faha-2

22 Iza no mandainga raha tsy izay mandà fa i Jesoa no Kristy? Ary ny antikristy dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka. 23 Izay rehetra mandà ny Zanaka, dia tsy manana ny Ray koa; fa izay manaiky ny Zanaka ihany no manana ny Ray. 24 Koa aoka hitoetra ao anatinareo izay renareo hatramin'ny voalohany. Fa raha mitoetra ao anatinareo izay renareo hatramin'ny voalohany, dia mitoetra ao amin'ny Zanaka sy ny Ray koa hianareo.

25 Ary ny zavatra nampanantenainy antsika dia ny fiainana mandrakizay. 26 Nanoratra izany ho anareo aho, ny amin'ireo manangoly anareo.

27 Ary hianareo, ilay fanosorana noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin'olona hianareo, fa izany fanosorana izany no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, ary marina fa tsy lainga ny fampianarany, ka tomoera ao aminy araka ny fampianarany anareo. 28 Ary ankehitriny, anaka, mitoera ao aminy, mba hanan-toky isika rahefa miseho izy, fa tsy horoahina hiala aminy amin-kenatra amin'ny andro hahatongavany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0491